Mildou du Pak choï
vokatry ny pseudo-champignon Hyaloperonospora brassicae (olatra). Mety hiseho amin'ny dingana samihafa amin'ny fitomboan'ny Pak choï izy, indrindra rehefa misy toetr'andro mangatsiatsiaka sy mando. Ny fototr'aretina dia afaka miparitaka amin'ny alalan'ny spora entin'ny rivotra ary mila hamandoana eo amin'ny ravina mba hahafahany mitsimoka sy miditra ao amin'ny zavamaniry.
- toetr'andro mangatsiatsiaka sy mando ; hamandoana be entin’ny rivotra indrindra rehefa maharitra; ravina mijanona lena loatra noho ny orana, fanondrahana be amin’ny fitaovana efa matihanina be (par aspersion); fivezivezen'ny rivotra tsy ampy rehefa mifampikasoka na mifampitohitohy be ny ravina; toerana na parcelle izay tsy mora maina ny ravina sy ny tany.
ambonin'ny ravina: miseho aloha ny tasy mavo na maitso hatsatra, izay mety ho lasa volotany rehefa mandroso ny aretina.
Matetika ireo tasy dia tsy ara-dalàna ary mety ho voafaritry ny lalan-dravina.
Eo ambanin'ny ravina: rehefa mando ny toetry ny andro dia mety hiseho Vovoky ny bobongolo fotsy na volondavenona, izay misy ny spores.
Rehefa mihamafy ny aretina dia mety ho maina, ho volotany ary ho faty ny faritra voa amin'ny ravina.
Raha tena mafy, dia mety ho simba ny ampahany betsaka amin'ny ravina ary hihena ny fitomboan'ny zavamaniry
- arakaraka ny toetry ny andro sy ny taonan'ny zavamaniry, hampihena be ny velaran'ny ravina salama izy, ka manimba ny kalitao sy ny vokatra amin'ny Pak choï. Mety ho tena mampidi-doza kokoa amin'ny zavamaniry mbola tanora, satria raha voa mafy ny Ravintsimoka (cotyledons) sy ny ravina voalohany dia mety ho faty ilay pak choï
